Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Hanova ny fitaterana eto Antananarivo ny teleferika”

Tsotra ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, amin’ny fitaterana teleferika. “Reharehako sy reharehantsika ny mitaingina sy mahita ity fitaovam-pitaterana ity, na inona inona havalianareo ahy. Manova tanteraka ny sehatry ny fitaterana eto an-dRenivohitra ny teleferika”, hoy izy, tamin’ny fisantarana amin’ny fandehanana amin’
izany, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny koa fa tena ma­nova ny endriky ny tanàna izany ka hampiavaka ny tanànantsika raha oharina amin’ireo renivohitra hafa aty Afrika sy manerana izao tontolo izao. Notsindriny koa fa reharehany tanteraka ny miara-miasa amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. “Manana vina mazava ary manatanteraka izany izy”, hoy izy. Notsia­hi­viny fa efa ela no niandrasana ity fitaovam-pitaterana teleferika ity. Tonga ihany ny fo­toana ankehitriny.
Tsiahivina fa miisa 1 648 ireo olona nampiasa izany, nandritra ny ora 2 voalohany, nanombohana izany, ny sabo­tsy teo. Teo anelanelan’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora, maraina izany. Miisa 777 ireo niainga avy eo amin’ny tobim-piantsonana etsy Ano­sy, raha 181 avy eo Soarano. Miisa 123 kosa ireo avy eo Ankorondrano ary 567 ireo avy eo Ivandry, araka ny tarehimarika azo ho an’ny ora roa, tapany maraina. Nampiditra vola hatrany amin’ny 4 944 000 Ar tao anatin’ny adin’ny roa izany ity fitaovam-pitaterana an-tariby ity. Nilaharana be hatrany ny fitaingenan’ny olona izany tamin’izao fanombohan’ny teleferika izao, tamin’ireo toeram-piantsonana.

Synèse R.

Partager sur: