Fanatsarana ny zotram-pifidianana: Hanao tombana anatiny ny eo anivon’ny Ceni

Nanatanteraka fananganan-tsaina teny amin’ny foibeny eny Alarobia, omaly, ny Ceni. Nitarika izany ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène. Anisan’ny voaresaka ny fanatsarana ny zotram-pifidianana.

Nambarany tamin’izany ny fanomanana ny atrikasa hanaovana tombana anatiny enti-manatsara ny zotram-pifidianana, hatao ny 27 hatramin’ny 29 aogositra ho avy izao, any Maha­janga. Anisan’ny handray anjara
amin’izany ireo eo anivon’ny birao sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny Ceni foibe miaraka amin’ireo solontenan’ny ran­tsamangaika rehetra eny anivon’ny disitrika sy ny faritra ary ny faritany. “Sambany no hisy atrikasa tahaka izao eo amin’ ny tantaran’ny Ceni”, hoy izy.
Tsiahivina fa vao avy na­mita iraka tany Bénin, nifampizara traikefa momba ny rejisi-pifidianana biometrika, ani­san’ny efa irosoan’ny any amin’ ity firenena afrikanina ity, ny mpikamban’ny Ceni..

Hampiasa Biometrika amin’ny fifidianana

Mbola hitondra ny antsi­piriany sy ny fanazavana ny filohan’ny Ceni. Mikendry ny ham­piasa izany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2028 ity rafitra mpikarakara fifidianana ity.
Etsy andaniny, mbola handrafitra anaty tahirin-kevitra ireo tolo-kevitra rehetra avy amin’ny mpiantsehatra amin’ ny fifidianana ho fanatsarana ny zotram-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Maherin’ny 300 ireo antoko politika sy fi­kambanana ary fiarahamonina sivily nandefa izany teny Ala­robia, nialoha ny 25 jolay teo. Handravona ireo tolo-kevitra rehetra voaray ny Ceni manom­boka izao ary hoentina eo amin’ireo mpiantsehatra izany, any amin’ny fiandohan’ny taona any, hanaovana fihaonambem-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: