Efa any Japon ny praiminisitra Ntsay Christian handray anjara amin’ny andiany fahasivy, “Conférence internationale de Tokyo sur le développement de l’Afrique – Ticad”. Hanomboka ny 20 hatramin’ny 22 aogositra izao, any Yokohama, izany. Anisan’ny lohahevitra “Ny fikaroham-bahaolana ho amin’ny fanovana an’i Afrika”.
Natao veloma ny herinandro teo, handeha hisotro ronono, ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi. Notanterahina tao Taolagnaro izany amin’ny fiatrehan’ny fiangonana ny synaoda. Tsiahivina fa 40 taona no naha mpitandrina azy ary 9 taona kosa no nitantanany ny FJKM. Ho fantatra rahampitso ny ho filoha handimby toerana azy.
Hifidy ny birao mpanatanteraka ny fikambanan’ny Antemoro eto Antananarivo. Anisan’ireo kandidà hifaninana ho filoha Randrianasoavina Christian sy Randrianasolo Brice ary Tsaramonina Ravony. Tanjona iraisan’izy ireo ny hampiroboroboana ny firaisankina eo amin’ny samy mpikambana ary koa hampandrosoana ny faritra.
Niantso ny tokony hijerena ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka ny loholona Andrianandrasana Tahiana, amin’izao nandraisan’ny filohan’ny Repoblika ny fitantanana ny Sadc izao. “Anjaran’ny vahoaka malagasy ny mandinika sy mijery izay mikatsaka ny hahasoa ny firenena”, hoy izy.




