“Niara -niaiky ny rehetra fa tena azo alain-tahaka sy niavaka indrindra tamin’ireo fihaonana natao tao amin’ny Sadc ny teto Madagasikara”.
Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly alina, taorian’ny lanonam-pamaranana. Tao anatin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony: mamiratra sy manao ezaka i Madagasikara. Variana ary vaky vava ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta tamin’ny fihaonana hoe tsy nampoizina toy izao i Madagasikara. Misy fivoarana eto. Tsapan’izy ireo hoe sarotra inoana ny atao eto Madagasikara.
Amin’ny maha filohan’ny vondrona azy, be dia be ny zavatra hatrehina. Eo ny filaminana sy ny fandriampahalemana: rehefa misy korontana eo amin’ny firenena mpikambana, anjarany ny mametraka drafitra. Indrindra eo amin’ny lafiny sosialy… Eo koa ny firotsahan-kofidina amin’ireo sehatra ambony ananan’ny firenena tsirairay avy kandidà. Ao anatin’izay, miray feo sy vina ny Sadc: tokony hiray hina sy hiray feo ary hiara-miasa hanatrarana izany. Tokony hamokatra sy hifamelona ary hanamafisana ny fifanakalozana ara-toekarena sy varotra.
Zava-dehibe ny fitondrana ny Sadc: hahazoana manamafy ny fifandraisana ara-barotra izany, indrindra manatanteraka ny fampandrosoana eto anivon’ny vondrona. Misongadina sy inoana ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny diplaomasia. Raha misy zava-mitranga, tsy maintsy henoina ny heviny. Zava-dehibe amin’ny lafiny toekarena sy diplaomatika ny fandraisan’i Madagasikara ny fitantanana ny Sadc. Sambany izay ary fantatr’ireo filoham-panjakana ny haitarika, afa-mitondra avo ny vondrona.
R. Nd.




