Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny herinandro teo, tamin’ny synaodan’ny FJKM tanterahina any Taolagnaro fa mifanaratsy ny samy mpino. Nambarany fa tsy tokony hisy mpitondra fivavahana hanaratsy mpitondra fanjakana na ny mifamadika amin’izany, araka ny nambarany. “Anisan’ny manampy sy manome tohana ny fiangonana hatrany ny eo anivon’ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitra, nisolo tena ny fitondram-panjakana niatrika izany tany an-toerana. Namaly izany avy hatrany ny filohan’ny biraon’ ny synaoda tamin’ny lahateniny ka nilaza fa tsy manohana na miandany amin’ny antoko politika ny fiangonana FJKM, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa hifarana ny alarobia izao amin’ny alalan’ny fifidianana ny birao ny synaoda.
Synèse R.




