Tontosa tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy sy alahady lasa teo, ny fifaninanana rugby lalaovin’olona 7, lahy sy vavy (Mada 7’s 2025). Fihaonana nokarakarain’ny Malagasy Rugby. Voahosotra ho tompondaka ny SCB Besarety, teo amin’ny sokajy vehivavy, raha ny CEA Andranomanalina kosa ny teo amin’ny lehilahy. Nisongadina ireo ekipa roa ireo satria tsy resy mihitsy nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo amin’ny vehivavy, lavon’ny ekipan’i Besarety tamin’ny isa tery, 12 no ho 10, ny ekipan’i Soavimasoandro. Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta saingy mbola nisongadina ny traikefa sy ny fahaizan-dry Jinakely sy ny namany, tamin’ity.
Ho an’ny lehilahy, niondrika teo anatrehan’Andrano, notarihin’i Lalou, tamin’ny isa 19 no ho 14 ny USA Ankadifotsy. Tsy nampoizin’ny rehetra ny nahalavo ny Cosfa (Bebaoty) teo amin’ny manasa-dalana, izay nosakanan’ny CEA. Tamin’ny isa 21 no ho 12 naharesy azy ireo. Ankady indray nanilika ny TFA Anatihazo, nandritra ny ankatoky ny famaranana.
Tsiahivina fa tanjon’ny Malagasy rugby ny fanomezana sehatra bebe kokoa ity rugby ho an’olona 7 ity, izay hita fa manavanana ny Malagasy mpilalao ary mety hahalasa alavitra ny Makis de Madagascar. Tafiditra sahady ao anatin’ny fitiliana izay handrafitra ny Makis rahateo iny “Mada 7’s” teo iny.
Tompondaka




