Tsy nisy namono fa maty noho ny aretim-po ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Ny Toky Mampionona.
Nametraka fangatahana hanaovana fitiliana, “Autopsie”, ny razana ny solombavambahoaka Tim Avaradrano, Andriamosa Avotra. Nandalo teo anivon’ny zandary misahana ny fikarohana ny hanatanterahana izany ary nahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Anisan’ny niatrika ny fitiliana ny eo anivon’ny zandary mpanao fikarohana sy ny mpitandro filaminana avy eny Talata Volonondry, niampy ny eo anivon’ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava Anosy. Nivoitra tamin’izany fa narary fo izy, ary nitarika fahafatesana tampoka ho azy izany. Tsy nisy famonoana niniana natao, araka ny valin’ny fitiliana. Hanohy avy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotorana ny fiaraha-miasa eo anivon’ny zandary sy ny polisy manoloana ity raharaha ity.
Tsiahivina fa nodimandry tampoka ny 16 aogositra teo, araka ny nambaran’ny vadiny, ity ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry ity. Notsaboina tetsy amin’ny HJRA, rehefa avy nandalo teny amin’ny “Clinique” Ilafy. Samy niahiahy ny amin’ izao nahafaty azy izao moa ny eo anivon’ny fianakaviany. “Somary sempotra sy nikohaka izy ny alina ka nentina notsaboina, saingy tsy tana ny ainy”, hoy ny vadiny. Notsiahiviny koa fa niaraka izy ireo ny atoandro ary nilaza ny hamonjy fanasana ity ben’ny Tanàna ity. Tafody soa aman-tsara tao an-trano ny hariva, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.




