Mahita lazaina foana ny olombelona! Tsy mety afapo amin’izay mitranga. Resabe indray hatry ny omaly ny mahakasika ny tsy fahatongavan’ny antsasa-manilan’ireo filoham-pirenena mandrafitra ny Sadc, afakomaly. Entina hanatsatsoana ny ezaka goavambe vitan’i Madagasikara sy ny fitondram-panjakana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Nahatonga solontena avokoa anefa izy rehetra fa tsy araka ny fivoizan’ny mpanoha-randrana sy ny mpijery miiba. Na inona na inona anefa lazaina mahakasika izany, zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny dingana vita. Tsy ny fampiantranoana ny fihaonambe, na ny nandraisana ny fitantanana ihany, fa ny akon’izany eo amin’ny tontolon’ny diplaomasia maneran-tany.
Voninahitra an-tsobika io ho an’i Madagasikara, sanatrian’ny vava ny hanao azy am-patram-bary. Tsy ny Malagasy rahateo no andraraka ilo mby an-doha amin’ity voninahitra lehibe natolotra ity. Hanampy be dia be ny fivelaran’i Madagasikara sy ny fikatsahana fampandrosoana araka ny filan’ny mponina izany. Tsy ho fary akory isika ka hoe ny lohany indray no hatsatso.
Tsy maintsy mijoro sy milofo isika mba tsy ho voninahitra manokana ho an’ny tenany izy filoha Rajoelina Andry ny fitazomana io toerana io. Fa lalan-kivoahana misimisy kokoa any amin’ny fanatrarana ny tanjona napetrany amin’ireo tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika. Tsy afa-mialangalana mihitsy izy aorian’izao laharana ambony nametrahana azy izao.
Maridrefy iray rahateo ahafahana manao tombana ny fahaiza-mitarika sy mitantana ananan’ny Filohan’i Madagasikara ny tahaka izao. Sanatrian’ny vava, fitsapana ny fahaizany mitantana fa mitaky porofo mivaingana amin’ny bainga voavadika izany. Tsy ho an’i Madagasikara samirery, fa ho an’ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Efa filohan’ny Sadc izao. Tsy afa-miala amin’ny hodidina iraisam-pirenena rahateo!
r.r




