“ASIEF 2025” : “Tratra ny tanjona”, hoy ny filoha John Love

Toy ny mahazatra, nanao tatitra mahakasika ny fifaninanana nasionaly Asief (Asso­ciation sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires) 2025 ny filohany, Andrianarison Jean Aimé (John Love), omaly, teny amin’ny birao fiasany, eny Tsaralalàna. Nambarany nandritra izany fa tontosa araka ny tokony ho izy ny fifaninanana ary tratra ny tanjona, dia ny firaisankina sy ny fahasalamana ho an’ny mpiasam-panjakana. “Na teo aza ny tsy fahampiana teo amin’ny hoenti-manana, tratra ny tanjona”, hoy ny nambarany. Marobe ireo malala-tanana nanampy, anisan’izany ny ben’ny Tanà­nan’i Mahajanga, ny fitondrana foibe ary ny maro hafa, nahafahana nanatontosa izany.
Eo amin’ny vokatra kosa, laharana voalohany ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, faharoa ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra ary fahatelo ny minisiteran’ny Toe­karena. Efa tapaka nandritra ny fivoriana natao tany Mahajanga moa fa any Manakara indray ny Asief 2026 no hatao ary nangataka sahady ny filoha ny mba hijerena ny tetibola ho an’ny fanatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana.

Mbola hilatsaka hofidina
Araka ny fantatra, tapitra amin’io taona 2026 io ny taom-piasana ho an’ny mpitantana ny Asief mitantana ankehitriny ka hirosoana ny fifidianana. Nanambara ny filoha John Love fa mbola hirotsaka ho fidina izy, hanohy ny ezaka efa vita ary hanatsara hatrany ny zava-bita hatramin’izay.

Mi.Raz

Partager sur: