Araka ny vaovao navoakan’ny klioba SK Rapid Vienne Football Club tao amin’ny pejiny, ny alatsinainy lasa teo, maratra eo amin’ny feny ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Jean Harison Marcellin. Nandritra ny andro fahatelo hiadiana ny “Ligue Europa Conference”, nifandonan’ny ekipany tamin’ny Rheindorf Altach, natao ny alahady lasa teo, tao amin’ny Kianja Allianz Stadion, no nahavoa azy. Haharitra volana maromaro ny tsy fahafahany miakatra kianja. Araka izany, tsy ho anisan’ireo mpilalao ho antsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, hiatrika ny fifanintsanana ho an’ny andro fahafito sy fahavalo eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, ny tovolahy. Fihaonana hotanterahina any Maroc. Ny 4 septambra hifandonana amin’i Centrafrique ary ny 8 septambra hikatrohana amin’i Tchad. Ankoatra izay, nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasy (FMF) ihany koa fa hisy mpilalao mpilaravinahitra vaovao ho avy hanatevina ny Barea amin’ireo fihaonana indroa miantoana ireo.
Tompondaka




