Mbola manakoako manerana an’i Afrika ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Afapo tanteraka tamin’ny fikarakarana ny vahiny.
Anisan’ireo vakivava tamin’ny nandraisan’i Madagasikara sy ny filoha Rajoelina Andry ny fitarihana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny filohan’i Afrika Atsimo, i Cyril Ramaphosa. Nambarany fa hita taratra izany haitariky ny filoha Rajoelina Andry izany tamin’ny fivoriana tsy azon’ny besinimaro natrehina. Tena mpitarika lehibe ny filohan’i Madagasikara. “Azo antoka tanteraka ny fitantanany ny Sadc. Afaka mampiray hevitra sy mitondra vahaolana na amin’ireo lohahevitra sarotra indrindra aza ny filoha malagasy. Manana ny haitarika sy hanohy ny firaisankinan’ny vondrom-paritra sy ny fampandrosoana izy”, hoy izy. Nanteriny fa tena mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ireo firenena miisa 16 eo anivon’ity vondrom-paritra ara-toekarena ity ny nisafidianana ireo lohahevitra tamin’iny fihaonana an-tampony iny. Maneho mazava ny vina sy ny firaisankina ary koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena samy mpikambana ao. “Manambara finiavana sy fahavononana ho amin’ny fampandrosoana iombonana ny lahatenin’ny filoha malagasy”, hoy ihany ny filoha Cyril Ramaphosa.
Fahombiazan’ny fandraisana ny fivorian’ny Sadc
Nankasitrahin’ny filohan’i Afrika Atsimo koa ny fandraisana sy ny fahalalam-pomba nasehon’ny Malagasy nandritra ny fihaonana. Anisan’ny tsikariny tamin’izany ny tsiky sy ny hafanam-po hitany teny an-dalana sy teny amin’ireo toerana nanaovana ny fihaonambe. Nahatsapana ny hafanam-pon’ny vahoaka malagasy izany ary nitarika ny fahombiazan’iny fihaonana an-tampon’ny Sadc iny” , raha ny nambarany.
Synèse R.




