SOMBIM-BAOVAO

Nosokafana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Maka (Malagasy Karate-do). Nanombohana izany, teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alatsinainy 18 aogositra sy omaly 19 aogositra, ny fampiofanana. Hitohy amin’ny fampirantiana izany nanomboka omaly hatramin’ny 21 aogositra izao.

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, any Toliara, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, lahy sy vavy, taranja basikety. Anisan’ny lalao niady tamin’ny fahatelo, ny alatsinainy 18 aogositra teo, ny fifandonana teo amin’ny ekipan’ny Tafaray sy ny ekipan’ny Mikolo ka nahazoan’ity farany ny fandresena tamin’ny isa 52 no ho 51.

Hotanterahina ao amin’ny Complexe sportif municipal Arivonimamo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana hatao ny 23 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao izany. Handray lalao ihany koa ny kianja filalaovana basikety ao amin’ny Lycée Catholique Coindre mandritra izany.

Partager sur: