Heriniaina Jean Jacques: Jamba lasa mpampiofana amin’ny tontolon’ny fananahana

Manana fahasembanana eo amin’ny fahitana i Herinaina Jean Jacques. Nie­zaka sy nihoatra teo amin’ny fiainana izy, nanaraka fiofanana ary lasa mpam­piofana amin’izao fotoana. Antony nandrisika azy, ta­min’izany, ny tsy fisian’ny olona ma­nana fahasembanana misehatra amin’ny tontolon’ ny fampiofanana.

Misokajy ho efatra ny fahasembanana mpahazo ny olona. Eo ny sembana ara-tsaina, ara-
batana, ara-pahitana ary ara-pihainoana. Manodidina ny 154 255 ny isan’ny olona ma­nana fahasembanana eto Madagasikara, raha ny antontanisa navoakan’ny Fanisana ankapobeny fahatelo momba ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH 3). Olona manana fahasembanana ara-tsaina avokoa ny 21% amin’ izy ireo. Tsy hita maso ety ivelany ny 80% ny trangana fahasembanana, raha ny antontanisa nampitain’ny fikamba­nana tsy miankina Humanité et Inclusion. Olona manan-takaitra hatrany am-bohoka na azo taty aoriana ny atao hoe fahasembana, raha ny voasoratra ao amin’ny lalàna 97- 044 mahakasika ny zon’ny olona manana fahasembanana.

Anisan’ny voasokajy ao anatin’ny olona manana fahasembanana i Heriniaina Jean Jacques, 25 taona. Monina etsy Ankatso izy fa avy any Antsirabe ny fiaviany. Faha­sembanana ara-pahitana no mahazo azy. Fahajambana efa hatrany am-bohoka, raha ny nambarany. Olany teo amin’ny fiainany ny tsy mba nahita mazava toy ny olon-drehetra. Maizina foana ny zavatra hita na andro na alina. Tsy nataony sakana anefa izany fa niezaka sy nikiry tamin’ny fianarana izy. Ankehitriny, mianatra eny amin’ny Anjerimanontolo amin’ ny sampam-piofanana Mala­gasy, taona fahefatra. Mam­piasa tehina fotsy izy entiny mamantatra ireo lalana hizorany eny an-dalana na any an-trano. “Anisan’ny manampy betsaka ahy ny fisian’iny satria manoro ahy ny lalana rehetra na aiza na aiza alehako”, hoy izy. Somary sarotra ny lalana hizorany isan’andro satria ahitana lakandrano eo an-toko­tany misy ny trano fonenany. Miakatra tohatra sy mandeha lalana miakatra ihany koa ny eny amin’ny Oniversiten’An­tananarivo, izay sekoly handratoany fianarana. Any am-pianarana indray, mampiasa solosaina sy finday natokana ho an’ny jamba, mba handraisana lesona. Nambarany fa tsy maharaka ny fampiasany ny soratra mivoitra mandritra ny fanenjehana ny lesona omen’ny mpampianatra.

Voaantso hanaraka fiofanana
Nikarakara atrikasa fampiofanana ho an’ny olona manana fahasembanana ny fikambanana iray. Ahafahana miresaka mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fahafinaretana ho an’ny olona manana fahasembanana izy io. Anisan’ny voasafidy handray anjara tamin’izany i Heri­niaina Jean Jacques. Ny fifandraisan’ny nofo na tontolon’ny firaisana ara-nofo no tena votoatin’ny atrikasa. Nahitana lohahevitra miisa dimy tao anatiny. Nisy ny fakan-kevitra, ny dinika ary soso-kevitra na­taon’ireo mpiofana. Voizina mafy amin’izao fotoana ny fanentanana momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny ady atao amin’ny vohoka tsy iriana ary ny fanolanana. Mbola vitsy izany olona manana fa­hasembanana ara-pahitana izany manaraka fiofanana. Indrindra mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana. Mila hahitsy ny fomba fisaina satria zavatra ratsy foana ny ao an-tsain’ny olona raha vao miresaka fahasalamana amin’ ny tontolon’izany. Ny fahatsapana izany ny antony nanaovany io atrikasa io tamin’izany. Nahazo taratasy fanamari­nana ho lasa mpampiofana izy, taorian’ny fiofanana natrehiny. Ampitaina amin’ireo olona manana fahasembanana mi­tovy aminy ny fahalalana azony rehetra.

Miaina toy ny olon-drehetra

Ankoatra izay, miaina mitovy amin’ny mpianatra sy olon-drehetra mahiratra ihany izy na dia tsy mahita aza. Mandeha miantsena sy mividy sakafo ary mikarakara sy mahandro izany. Ampifanarahina amin’ny zava-misy ny fitaovana ampiasaina, toy ny fatana tsy mandoro. Hianarana ny mikirakira ny fitaovan-dakozia rehetra. Nianarana koa ny mikarakara ny sakafo rehetra. “Efa nozarin’ny ray aman-dreny tsy iantehitra aman’olona efa hatramin’ny mbola kely aho ary efa zatra na dia tsy misy olona miara-mipetraka aza”, hoy ihany izy. Afaka miatrika ny fiainany samy irery toy ny mahandro sakafo, manasa lamba, mandeha mianatra i Heriniaina Jean Jacques. Nohamafiny fa misy fotoana ihany ilàny ny fanampian’ny olona mahiratra, toy ny fitsimponana akotry na tsaramaso.

Efa misy fampianarana finday ho an’ny jamba

Efa misy ny fampiharana ny fikirakirana finday natokana ho an’ny olona jamba. Hita ao amin’ny « paramètre » ka tsindriana indroa ny « écran » ary mihovitra izay tsapaina. Miteny ny « touche » izay tsapain’ny tanana. Mivadika feo avokoa izay rehetra hita eo amin’ny « écran ». Afaka manao fesiboky mitovy amin’ny olona mahiratra ihany ny jamba. Misy kosa ny fitaovana natokana ho azy ireo saingy lafo ny vidiny satria hafarana avy any ivelany izy ireny.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: