Hotanterahina any Algerie, ny 14 hatramin’ny 21 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy vehivavy. Hiara-dalana amin’izany koa ny dingana kaontinantaly eo amin’ny “IHF Trophy”. Tsiahivina fa mandray anjara
amin’izany ny Akion’i Madagasikara.
Ekipa lehilahy 16 sy vehivavy 10 no hifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, taranja basikety. Fifaninanana hotontosaina any Arivonimamo Itasy, ny 23 hatramin’ny 31 aogositra izao.
Hifarana anio amin’ny 6 ora hariva ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs. Fifaninanana hotanterahina ny 24 hatramin’ny 29 aogositra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano.
Mbola baraingo ny fandehanan’ny ekipa malagasy, taranja volley-ball, sokajy U16, sokajy vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Tonizia, ny 22 hatramin’ny 31 aogositra izao. Mbola tsy fantatra mazava ny lafiny ara-bola ka mampanahy ny fandraisan’i Madagasikara anjara.




