Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, any Yokohama Japon, ny andiany fahasivy eo amin’ny fihaonamben’i Afrika ho amin’ny fampandrosoana (Ticad), iarahana amin-dry zareo Japoney. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta afrikanina ka misolo tena ny filohan’ny Repoblika any an-toerana ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo delegasionina tarihiny. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fahafahana mampita ny vina sy tetikasa tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny firenena apetraky ny filoha Rajoelina Andry. Mba hahafahana manatanteraka izany miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny orinasa tsy miankina, ho an’ny fampandrosoana maharitra. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Japon sy i Madagasikara rahateo ity fihaonambe ity.
Synèse R.




