Tsy manao ambanin-javatra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Mialoha izany fihaonana an-tampony izany, izay hatao ao Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao, andeha hanoman-tena mialoha any an-toerana ny ekipa malagasy. Nanainga ny talata lasa teo ny delegasionina malagasy ary hiatrika “tournée estivale” any an-toerana, manomboka ny alahady ho avy izao. Raha tsiahivina, efatra mirahavavy izy ireo no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny “Mondial”, taorian’ny fifantenana natao tany Antsirabe. I Malalaharison Hasina Miary (CLB SBA), i Lalatiana Saholy Nirinaniaina (C2BA), Ravomanana Fanantenana Nomenjanahary (CPA) sy Ranaivoson Marinah (UBM) no voafidy ho solontena. Hanazatra azy ireo, mandritra ny “tournée estivale” sy ny “Mondial”, kosa Randriambahiny Francine (Cicine).
Mandra-piandry izany, hiditra amin’ny dingana fahadimy ny “Masters 2025”, hatrehin’ny ekipam-pirenena malagasy, lehilahy. Hampiantrano izany, amin’ity alakamisy ity, ny tanànan’i Nevers. Raha tsy misy ny fiovana, i Zigle sy i Tianakely ary i Balôty no ho solontena amin’ity. Hijanona indray aloha izany i Yves. Tsiahivina fa laharana fahatelo ny Malagasy, manana isa 20.
Tompondaka




