Baolina kitra – “Chan 2025”: “Famarananakely ny an’ny Barea sy i Kenya”, hoy ny Coach Rôrô

Hitana ny sain’ny rehetra, indrindra ny mpankafy baolina kitra, amin’ity anio ity, ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hifampitana ny Harambee Stars Kenya sy ny Barean’i Madagasikara. Fihao­nana hotanterahina ao amin’ny Kianja Kasarani stadium, Nai­ro­bi Kenya. Namba­ran’ny mpanazatra, Rakoton­drabe Romuald (Rôrô), fa tsy mora ny lalao hifanandrinana amin’i Ke­nya, izay ekipa matanjaka ary manana lenta ambony. Ankoa­tra izay, hilalao eo amin’ny kianja mahazatra azy sy manoloana ny mpijeriny izy ireo. “Ho toy ny famarananakely amin’ity Chan 2025 ity ny lalaon’ny roa tonta”, hoy izy nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, oma­ly alakamisy. Nomarihiny kosa fa vonona ny Malagasy mpilalao ary mitovy ny herijika handrombahan’ny roa tonta fandresena.
Mahakasika ny toetr’andro indray, nambaran’ny mpa­na­zatra fa mety tsara amin’ny mpilalao satria mitovy amin’ny eto Madagasikara, ary efa nisy efatra andro nizarana izany ka tsy mametraka ola­na. Nilaza ny fahavononany hidona amin’i Kenya ihany koa i Tony, kapitenin’ny Barea. Ni­tsapa ny kianja tao Kasarani stadium ireo mpilalao, omaly. Tsiahivina fa anio amin’ny 5 ora folakandro ny fihaonan’ny Harambee stars sy ny Ba­rean’ i Madagasi­kara.

Tompondaka

Partager sur: