Hafatry ny synaodan’ny FJKM: « Miantso antsika ho amin’ny fahamarinana izahay… »

Namoaka hafatra ny sy­naoda lehibe eo anivon’ny FJKM, natao tany Taolagnaro. Nisy antso avo nataon’izy ireo, ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy.
« Miantso anao ny fiangonana ho amin’ny fahamarinana, ho amin’ny fahamasinana, ho amin’ny fiombonana eo amin’ny sehatra rehetra ian­tsoan’ny Tompo anao », hoy ny hafatra. Anisan’izany ny asa fanompoana, andraikitra samihafa, asa aman-draharaha ka hahefa be mandrakariva, araka ny hafatra hatrany.
Etsy andaniny, nasiam-panavaozana ny foto-dalàna sy ny fitsipika sasany eo anivon’ny FJKM. Anisan’izany ny fametrahana ny fanabeazana marolafy ho an’ny sekoly FJKM. Ezahina hohatsaraina koa ny fitantanana ny mpi­asan’ny fiangonana sy ny mpi­asam-piangonana. Tsy mijanona eo izany fa anisan’ny na­songadin’ny hafatra ny famokarana sy ny fampandrosoana, indrindra ny kalitaon’ny fandraharahana mba ho loharanom-bola maharitra izany.
Nohitsin’ny hafatry ny sy­naoda fa hijoro hatrany ho fa­nasina sy ho fahazavana ary fahamarinana eto amin’ny ta­ny sy ny firenena ny FJKM. Nan­terin’ny hafatra fa manafatra ny zanany ho tompon’andraikitra eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana ny fiangonana amin’ny alalan’ ny lahateny samihafa sy ny te­nin’Andriamanitra, efa voalahatra isan’andro.
Ankoatra izany, nohamafisin’ny hafatry ny synaoda ny fiombonana sy ny fihavanana mba ho iray ihany ny fiangonana.
Ho an’ny fiainana anatin’ny FJKM kosa, anisan’ny ni­songadina ny fanekena ho sy­naodam-paritany faha-39 ny any Amerika Avaratra. Eo koa ny fanitarana ny fitoriana sy ny fiangonana.

Synèse R.

Partager sur: