KMF/Cnoe : “Tokony havoakan’ny Ceni ny datim-pifidianana loholona”

“Amin’ny volana janoary no fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Ny dikan’izay, tokony hatao ny kajikajy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Mba ho voahaja ny lalàmpanorenana momba izay”.

Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, teny Ankerana, omaly, ny amin’ny fifidianana loholona. Tena misy ny lisi-pifidianana sy ny fanaikana mpifidy. Toy ny fifidianana rehetra io, fa ny mpifidy fotsiny no miova: mpifidy vaventy. Maniry ny hanaovana fifidianana tena hanaja ny fe-potoana ry zareo. Efa niteny ny filohan’ny Ceni, fa ny fanontaniana: ra­hoviana ny fifidianana loho­lona? Mandrisika ny Ceni ho sa­hy hanapa-kevitra ry zareo: ra­hoviana marina ny daty, oviana ry zareo no nandefa volavolan-kevitra raha efa nandefa izany, na mieritreritra handefa azy any amin’ny governemanta?
Mandrisika ny governemanta koa ny fikambanana: tsy ha­siana kajikajy fa raha vao tonga ny volavolana datim-pifidianana, raisina ny fanapahana mba ho fantatry ny Malaga­sy fa hisy fifidianana. Amin’ izao, mampisalasala: hisy sa tsia? Raha lazaina fa hisy ny fifidianana loholona, maninona no tsy tenenina ny daty? Tsy mbola tratra aoriana izao… Fifidianana loholona io, vitsy ny mpifidy: tsy alefa any Afrika Atsimo intsony, ohatra, ny biletà. Aoka tsy hiandry ny fotoana farany, fa mba havoaka ny datim-pifidianana hahazoan’ny olona miomana. Aoka hampiseho finiavana politika, ka ha­na­ja ny zon’izay mieritreritra hi­rotsa-kofidina ho loholona.

R. Nd.

Partager sur: