Prezidansa : Hiala sasatra ny mpikam­ban’ny governemanta

Namoaka fanambarana fampahafantarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, fa hisy vanim-potoana hialana sasatra eo anivon’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta. Anisan’ny tapaka tamin’ny filankevitry ny mi­nisitra, afakomaly, teny Iavoloha, izany. Nanomboka ny 21 aogositra teo izany fialantsasatra izany ka hifarana ny 1 septambra ho avy izao. Na izany aza anefa, hifandimby ireo mpikamban’ny governemanta ho fitohizan’ny raharaham-panjakana sy ny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra. Voafaritra ao anatin’izany koa ny fandaharam-potoana ifandimbiasana. Mijanona eto an-toerana kosa ny minisitra miadidy ny filaminana sy ny fiarovana mandritra ireo fotoana ireo ho fiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ny vahoaka.

Synèse R.

Partager sur: