Tontosaina eny amin’ny Kianja «annexe» Mahamasina, nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 23 aogositra ho avy izao, ny fiofanana ho an’ireo mpitsara baolina kitra «cours Ma – arbitres élites». Mitarika izany i Efong Nzolo (instructeur technique) sy i Ayemou Ananh Jeanne (instructeur physique) ary i Athanase Nkibuto.
Nigadona teto an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy, taranja fibatana fonjamby, avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana. Medaly 17 be izao no norombahin’ireo atleta malagasy, izay nisy filofosana mafy tao ambadiky ny fandresena.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fampiofanana ara-teknika, notarihin’ny Hanshi Ramanitrandrasana René. Ho fanamarihana ny faha-40 taonan’ny MaKa (Malagasy Karate-do) sy ho fankalazana ny faha-80 taonan’ity Hanshi ity izany.




