Tsipy kanetibe: Resin’i Yves i Dylan Rocher

Notanterahina omaly, tany Nevers France, ny dingana fahadimy amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nisongadina indray ny ekipa malagasy tamin’izany. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa mazava 13 no ho 3 ny ekipan’ilay kalazalahy frantsay, i Dylan Rocher. Nandra­fitra ny ekipa malagasy i Yves sy i Tianakely ary i Balôty. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nanjaka tokana ny Malagasy, tamin’ity. Tsy naharitra ny lalao fa “mène” 7 fo­tsiny dia tapitra. Efa nitarika 12 no ho 0 ny Malagasy vao nitoko 1 ny ekipan’i Rocher. Avy eo niakatra 12 no ho 3 saingy teo no naneho ny fahaiza-miaraka izy telo mirahalahy, ka nahay nampifameno ny taktika sy ny teknika teny ambony kianja. Anisan’ny niavaka tamin’ity dingana fahadimy ity i Balôty izay nahay nameno tamin’ny fakana isa sy ny teo amin’ny tifitra. Tsiahivina fa efa nahazo ny dingana fahatelo, natao tany Cluses, ny 25 jolay lasa teo, izy telo mirahalahy. Nidona taminy teo amin’ny famaranana ny ekipan’i Bonetto.

Tompondaka

Partager sur: