Feno ny fepetra, nanainga omaly alina, nihazo an’i Tonizia, ny delegasionina malagasy hiatrika ny Can (Championnat d’Afrique des nations), ho an’ny sokajy vehivavy latsaky ny 16 taona, taranja volley-ball.
Hotontosaina ny 22 hatramin’ny 31 aogositra izao, any Tonizia, ny Can (Championnat d’Afrique des nations), sokajy U16, taranja volley-ball. Noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny fikarakarakana ny delegasionina malagasy, eo amin’ny ity taranja hiaro ny voninahi-pirenena ity. Nahazo tsodrano sy vatsin-dalana ny mpilalao 12 sy ny mpanazatra 4, tarihin’ny filohan’ny federasionina malagasin’ny volley-ball, Raharimalala Léa, omaly. Nozaraina tamin’io fotoana io ihany koa ny tapakila ho azy ireo ary Noraisin’ny MJS an-tanana ny saran’ny fandraisana anjaran’ ny ekipa. Nohamafisin’ny minisitra tamin’izany ny fanomezan-danja ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ireo lalao iraisam-pirenena avy amin’ny fitondram-panjakana. Tsy hisy mihitsy, hoy izy, ny federasionina na taranja ara-panatanjahantena hohadinoina. Tetsy ankilany, nitondra ny teny fisaorana ho an’ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny federasionina. Nanome toky ny mpilalao fa hanome ny tsara indrindra ary hanandratra avo ny sainam-pirenena.
Mi.Raz




