“CHAN 2025” – Barea (4) – (3) Kenya : Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barean’i Madagasikara

Hafaliambe ny an’ny vahoaka malagasy, halina. Tafakatra amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny Chan 2025, ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny fandakana tirs au but, 4 no ho 3, ny Harambee Stars Kenya. Nametraka ny dian-tanany fanindroany eto Afrika indray ny Barean’i Madagasikara.

Noporofoin’ny Barean’i Madagasikara fa tsy kisendrasendra ny vo­ka­tra azony tany Algerie, roa taona lasa. Tafakatra fanindroany amin’ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) indray ry zalahy. Omaly, nandritra ny ampahefa-dalana notanterahina tao Kasarani Stadium, resiny tamin’ny fandakana “tirs au but”, 4 no ho 3, ny Harambee Stars Kenya, rehefa nisaraka 1 sy 1 nandritra ny 90 mn sy ny fanalavam-potoana.
Tsy nikoso-maso mihitsy ny Barea nanoloana ireo mpijery maro nanohana ny kenianina. Na izany aza, nifehy ny lalao hatrany ny tompon-tany saingy tsy tafavoaka nanoloana an-dry Rado sy ry Tony, niampy an’i Bônô. Mbola nisongadina ihany koa ny fahaizan’i Toldo, mpiandry tsatoby. Tetsy andaniny, hain-dry Lalaina sy Dax ny nandrindra ny fanafihana teo afovoan’ny kianja saingy ny lohalaharana no tsy nahita irika nandakana mihitsy. Tsy nisy ny baolina maty, nandritra ny fizaram-potoana voalohany.
Fidirana faharoa, minitra faha-48, nanao fahadisoana i Bônô. Nahazo “coup franc” i Kenya. Niantefa teny amin’ny lohan’i Omija ny baolina ka nanakobana ny harato malagasy. Nitarika 1 no ho 0 ny Harambee Stars. Tsy nihemotra tamin’izany ny Barea. Minitra faha-69, nisy daka nataon’i Lalaina voarain’ny vodilaharana kenianina tao anaty faritra tsy azo ivalozana. “Pénalty” ho an’ny Barea. Tafiditra izany rehefa nodakan’i Fenohasina. Nifandim­biasana ny fanafihana avy eo, saingy tsy nisy baolina maty intsony hatrany amin’ny fanalavam-potoana. Niditra teo amin’ny fandakana “tirs au but”, ka i Toky no tsy nahafaty ho an’ny Barea, raha i Omija sy i Kibwage ny an’i Kenya. Amin’ny talata 26 aogositra ny manasa-dalana.

Tompondaka

Partager sur: