Nodimandry, omaly, Ratsiraka Celine rehefa notsaboina tetsy amin’ny Cehonsoa. 87 taona izy izao lasa izao. Nahafantarana azy ny asa sosialy. Anisan’ny mpanorina ny akanin-jaza ary nitarika ny vehivavy Arema. Niteraka efatra mianadahy izy sy ny amiraly Ratsiraka : Ratsiraka Xavier, Ratsiraka Olga, Ratsiraka Annick ary Ratsiraka Sophie.
Naneho fiaraha-miory nampahery ny fianakavian’ny filoha teo aloha, Ratsiraka Didier, noho ny nahalasanan’ny vadiny, Ratsiraka Celine, ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nankahereziny koa ireo mpanara-dia sy ireo havana akaiky azy ireo. « Homba anareo Andriamanitra. Hanasitrana ny fery ary hanamaivana ny alahelo », hoy izy.
Naneho ny heviny momba ny fanononana ny anarany amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin. Nohitsiny fa tsy misy idirany izany. « Niatrika ny fianianan’ny filoha iranianina tany Iran izahay ny taona 2024. Nisolo tena ny fanjakana ny anton-dia tany ary iraka ofisialy », hoy izy.
Nahitsy ny fianakavian’ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Toky, nilaza fa tsy mbola nahazo ny valin’ny fitiliana, “Autopsie”, hahafantarana ny amin’ny nahafaty ity mpikambana Tim ity. « Mandiso tanteraka ireo tsaho miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera izahay », hoy izy ireo.




