Fiainam-bahoaka

 

Tsy tohinina ho azy ny ankamaroan’ny olona amin’ izao fotoana izao? Misy tena kizitina, mora tezitra, tsy ifandaharana… Tsy vitan’izany, zava-tsy inona rehetra izao: mety hampifamaly sy hampiady. Tsy inona koa dia mety haharatra ny tena; eny, mety hamoizana aina aza noho ny afitsoky ny mpanendaka sy ny mpanao sinto-mahery. Mety hahafaty tampoka tsy amin’ny antony amin’ny fahatapahana lalandra noho ny fahatairana. Hafa ny fiainana amin’izao? Na ny fiarahamonina aza, saika anjakan’ny samy maka ho azy. Izay mamonjy ny traboina indray, ohatra, no mety hahita raharaha?
Tsy inona fa noho ny hasarotam-piainana, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany aza. Sarotra ny miaina? Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’ asa, famatsian-jiro sy rano… Miaina ao anaty tsy fifampitokisana ny fiarahamonina amin’izao? Misy aza ny tsy matoky tena amin’izay lazaina, ataony, alehany… Mby amin’ny hoe mandeha eo aloha ny tena, toa hokaikerin’olona; mandeha ao aoriana, toa hanaikitra olona. Mandra-pahoviana? Izay no anisan’ny mahatonga ny fitabata­ban’ny sasany amin’itsy sy iroa, indrindra amin’izay raharaha mafanafana ratsy: avoahy ny marina, sarotra inoana…
Tsy ny fiatrehana ny fiainana isan’andro mandavantaona ihany no mahakitokitoina ny sasany amin’izao, fa na ny fifandraisana amin’ny hafa aza? Nahaverezana be dia be ny kolontsaina: fifanajana, fifampitsinjovana, firaisankina… Inona no (h)atao? Anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasan’ny fiton­drana izao ny hoe maha olona. Mby aiza? Ny zava-misy iainana no manova ny toe-tsaina sy ny fomba fiaina. Na ny toe-tsaina sy ny fomba fiaina koa no manova sy hanovana ny zava-misy iainana… Mila fanarenana, fanone­rana, fanorenana…

R. Nd.

Partager sur: