Mpirakidraharaha fitsarana: Hosorohana ny fitokonana matetika

Resy lahatra ka hanolotra volavolan-dalàna ireo eo anivon’ny sendikan’ny mpirakidraharaha fitsarana. Anton’izany ireo hetsika na grevy ataon’izy ireo manoloana ny momba azy ireo.

“Misy ny fitokonana matetika. Fototr’ izay ny fitakiana ny sata manokana mifehy ny mpirakidraharaha. Izay no nahatonga ny fitokonana nisesisesy, nanomboka tamin’ny taona 2011. Tamin’ny 2022 no nisian’ny fitokonana lavareny”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM), Andriamampianina Mathias Rakoto, teny Anosy, omaly. Izay no naharesy lahatra an-dry zareo hanolotra volavolan-dalàna. Anisan’ny politika ankapoben’ny fanja­kana ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna sy ny fitsa­rana manaiky vahoaka.
Manatanteraka ny asam-pitsarana any amin’ny 60% mahery ny mpirakidraharaha, indrindra ny fikarakarana ny antontan-taratasin’izay manan-draharaha eny amin’ny fitsa­rana. Eo ny fampitana didim-pitsarana amin’ny isan’ambaratonga mba hahazoana ma­natanteraka izany. Izay indrindra no ametrahan-dry zareo ny sata mifehy azy eny anivon’ ny minisiteran’ny Fitsarana, izay hametraka azy any amin’ ny depiote. Hoentina amin’ny fivoriana ara-potoana faha­roan’ny parlemanta amin’ny oktobra izany.

Tsy voaaro ny mpirakidraharaha

Manatanteraka asa amin’ ny olona 2 000 ny mpirakidraharaha iray amin’izao, raha tokony ho 800 izany farafahabetsany. Mitarika fikorontanan-tsaina amin’ny asa izay. Mety misy ny fanaovana tsirambina, mety hitarika fanenjehana. Tsy voaaro ny mpirakidraharaha amin’izany, fa misokatra be ny fanenjehana. Nefa tokony handalo amin’ny isan’ambaratonga izany: any amin’ny minisiteran’ny Fitsa­rana, ohatra. Tokony any amin’ ny SGM amin’ny fanaovana famotorana. Amin’izany, mi­tovy amin’ny olon-tsotra ny mpirakidraharaha. Nefa be dia be ny asa, ary tsy maintsy kara­karaina ny vahoaka.

R. Nd.

Partager sur: