Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny dingana manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hifandona amin’izany ny Barea de Madagascar sy ny Faucon de Jediane-n’i Soudan ary adin’ny samy liona kosa ny ilany hifanandrinan’ny Lion de l’Atlas Maroc sy Lion de la Teranga Senegal.
Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny kianja Benjamin Mkapa Stadium any Tanzanie, ireo lalao ankatoky ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025), taranja baolina kitra. Anisan’ ireo firenena hiatrika izany ny Barea de Madagascar, hifanandrina amin’ny Faucon de Jediane-n’i Soudan. Hanala vela amin’ny Malagasy ry zareo soudane amin’ity. Nandritra ny Chan 2023 natao tany Algerie, lavon’ny Barea tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0 izy ireo nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona.
Raha tsiahivina kosa ny lalan-dry zareo soudane, tamin’ity Chan 2025 ity. Laharana faharoa tao amin’ny vondrona «D». Nanilika an’i Algerie, nandritra ny ampahefa-dalana teo amin’ny fandakana ny «tirs au but», 4 no ho 2 rehefa nisaraka ady sahala 1 sy 1.
Ho an’ny Barea indray, nitana ny toerana faharoa ho an’ny sokajy «B». Nanintsana an’i Kenya, teo amin’ny ampahefa-dalana, tamin’ny alalan’ny fandakana ny «tirs au but» ihany koa 4 no ho 3.

Adin’ny samy ekipan’ny Cosafa
Ekipa diso mifankahalala tsara ny Barea de Madagascar sy ny Faucon de Jediane. Satria, samy mivondrona ao amin’ny Cosafa na ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Fanintelony amin’izao ry zareo soudane no hiatrika ny manasa-dalana ny Chan. Indroa nandrombaka ny medaly alimo, izany hoe, nahazo ny toerana fahatelo dia ny tamin’ny taona 2011 rehefa nandresy an’i Algerie, tamin’ny isa 1 no ho 0. Tao Soudan rahateo nanaovana io fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika io. Mbola nahazo io medaly io ihany koa izy ireo, ny taona 2018 tany Maroc, rehefa nandavo an’i Lybie, tamin’ny fandakana ny «tirs au but», 4 no ho 2 rehefa nisaraka 1 sy 1.
Fanindroany amin’izao kosa ny Barea de Madagascar no tonga amin’izany dingana izany. Niavaka kosa nefa ny zava-bitan’ny Malagasy satria tao anatin’ny fifaninanana indroa mifanesy no nahavitany izany. Tamin’ny taona 2022 tany Algerie, resin’i Senegal teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 1 no ho 0 ary nandavo an’i Niger, tamin’io isa io nandritra ny fiadian-toerana fahatelo.
Nihintsana avokoa ireo mpampiantrano telo tonta
Ity andiany fahavalo ity ny Chan niavaka indrindra. Tamin’ity vao notontosaina tamin’ny firenena 3 dia Kenya sy i Ouganda ary Tanzanie ny fifanintsanana. Nahavariana ny maro ity Chan 2025 ity satria tsy nisy tafita amin’ny dingana manasa-dalana avokoa izy telo ireo. Nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa. Kenya lavon’i Madagasikara. Ouganda nahintsan’i Senegal ary i Tanzanie lavon’i Maroc.
Ankoatra izay, tsy nisy firenena avy amin’i Afrika afovoany na ny Union des federations de football d’Afrique Centrale (UNIFFAC) tonga ao anatin’ireo efatra voalohany. Toy izany koa ireo aty amin’ny tapany antsinanana na ny CECAFA (Council of east and central africa football association).
Solontenan’i Afrika avaratra na ny UNAF (Union Nord-africaine de football). Senegal ny an’i Afrika andrefana na ny WAFU (West african football Union) ary ny Barea sy Soudan ho an’ny Cosafa (Council south african football association).
Hatreto, i Maroc irery no mpampiantrano nandrombaka ny amboara tamin’ity Chan ity dia ny tamin’ny taona 2018.
Firenena roa no nahazo ny amboara indroa
Hatramin’izay andiany fahavalo nisian’ny Chan izay, firenena roa ihany no nandrombaka indroa ny amboara dia ny RD Congo ny taona 2009 sy 2016 ary i Maroc ny taona 2018 sy 2020. Samy indray mandeha nahazo izany kosa i Tunisie ny taona 2011, i Lybie 2014 ary i Senegal 2022.
Raha atambatra, inefatra nahazo anaram-boninahitra ireo firenena any amin’ny tapany avaratra UNAF, tamin’ny alalan’i Maroc sy i Tunisie ary i Lybie. Indroa i Afrika afovoany UNIFFAC dia ny azon’ny RD Congo ary indray mandeha i Afrika andrefana izay lasan’i Senegal. Tsy mbola nandrombaka ity Chan ity i Afrika Antsinanana Cecafa sy ny tapany atsimo Cosafa.
Raha teo amin’ny fandraisana anjara indray dia RD Congo sy i Ouganda no voalohany. Impito niatrika ny dingana famaranana. Indimy i Cameroun, Côte d’Ivoire, Lybie, Mali, Zimbawe. Inefatra, i Angola, Congo, Ghana, Maroc, Niger, Rwanda, Zambie. Intelo i Burkina Faso, Ethiopie, Gabon, Guinée, Mauritanie, Nigeria, Senegal, Soudan. Indroa, i Afrika Atsimo, Algerie, Mozambique, Namibie, Tanzanie, Tunisie, Madagascar. Indray mandeha, Togo sy Burundi ary i Guinée equatoriale.
Nanatontosa : Tompondaka




