DAKA AN-JORONY: Ho solohoto sy firaka ny rehetra

Toy ny tantely ao am-bavan’ny hendry ilay fandresena azo lazaina fa miezinezina azon’ny Barea de Madagascar ka nahatafitana any amin’ny manasa-dalana ny Chan 2025 iny, ka tsy mety lany hamamiana. Tena endrehin-kaja ny Malagasy ary endrehim-boninahitra i Madagasikara. Tsy hita noanoa ny hafaliana tao anaty ka izay rehetra nifankahita toa mifankahalala avokoa. Ho solohoto sy firaka tokoa anie ny rehetra ka mangatsiaka miara mivaingana, mahamay miara-rendrika.
Nalai-nisaraka ny mpiray tanindrazana, na ireo nanatrika mivantana ny lalao tany Tanzanie na ireo nanaraka izany tamin’ny fahitalavitra fa te hampiray hatrany ilay fifaliana. Tsy nijery izay maha alina ny andro na ny fahalaviran-toerana hodiana fa nanao solohoto sy firaka tokoa ny rehetra, mangatsiaka miara-mivaingana, mahamay miara-rendrika. Tsaroana tokoa fa ny Andriana no soa maro vahoaka. Ny vavahady no soa maro mpiditra. Ny lalana no soa maro mandeha ary ny Barea no soa maro mpanohana.
Na nisy aza ireo nanakiana tany am-piandohana sy ireo mpamendrofendro teny am-pandehanana. Nanao heloka hibebahana mody rariny ary rariny itompoana mody heloka izy ireo taorian’ilay fahombiazan’ny Barea. Nanao solohoto sy firaka tamin’ny rehetra ka mangatsiaka miara-mivaingana, mahamay miara-rendrika. Izay tsy miady tokoa olom-bodo fa izay to fo mpamosavy.
Mitohy ny lalana, tsy andrin’ny vahoaka indray ny hahatongavan’ny andro hifaninanana ary hanatrehana sy hiandrasana ny fitohizan’ilay fandresena. Tsy vitan’ny resaka fotsiny anefa izany fa mila fanohanana sy fitondrana am-bavaka ka tsy ho sakaizan’ny mpandresy fa hanao solohoto sy firaka, mangatsiaka miara-mivaingana, mahamay miara-rendrika.

Tompondaka

Partager sur: