« Raharaha Boeing 777 »: Miisa 22 ireo nidoboka vonjimaika am-ponja

Vita ny ampahany voalohany amin’ny famotorana momba ny raharaha Boeing 777. Olona 22 no naiditra am-ponja. Anisan’ireny ny tale jeneralin’ny ACM. Tsy voakitika kosa ny minisitry ny Fitaterana teo aloha. Tsy mahefa mitsara ny Pac fa miandry ny HCJ.

Nadoboka vonjimaika am-ponja avokoa ireo olona 22 ahina ho voampanga amin’io raharaha io. Na izany aza, nosarahana ny fonja nandefasana azy ireo. Teo ireo nalefa eny amin’ny fonjan’Am­bohidrabiby sy ny eny Antani­mora. Nisy koa ireo nalefa any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ary ramatoa iray efa lehibe kosa nalefa any Manjakan­driana. Niakatra tetsy amin’ny Pac, ny zoma alina, teo ny raharaha rehefa avy nandalo teny amin’ny fampanoavana Anosy. Nitohy ny sabotsy izany ka miisa 33 ireo voasaringotra tamin’ity raharaha Boeing 777 ity. Miisa 22 ihany kosa ireo niakatra fampanoavana ary izao nampidirina vonjimaika am-ponja izao. Ahitana ny tale jeneralin’ny ACM, mpiambina « Gardien », sekretera, mpi­am­bina « Garde du corps », mpiasan’ny orinasa Udaan izy ireo, ankoatra an’ilay karana sy Malagasy tompon’ny ori­nasa. Miisa efatra koa ireo mpi­asan’ny ACM, voasaringotra amin’izao raharaha izao. Eo ny « Directeur de la supervision de la sécurité DES », ny inspektera nijery ireo fiaramanidina tany Sina ary « Agents » miisa roa, nanome ilay « Code transpondeur », ahafahan’ireo fiaramanidina Boeing 777 miisa 5 ireo nanidina sy tonga tany Iran.

Anjaran’ny HCJ ny momba ny minisitra…

Etsy andaniny, mbola misy olona hafa miisa sivy karohina. Anisan’ny vesatra iampan­gana azy ireo ny fanozongozonana ny fiandrianam-pirenena, ny fanohintohinana ny filaminana anatiny. Tafiditra ao anatin’izany koa ny resaka kolikoly sy ny famotsiam-bola. Manampy ireo ny fampiasana hosoka sy fisandohana an­draikitra ary ny fikambanan-jiolahy.
Ankoatra izany, nambaran’ ny eo anivon’ny mpampanoa lalàna ao amin’ny Pac fa an­jara’ny Fitsarana avo (HCJ) ny momba fitsarana ny minisitry ny Fitaterana teo aloha. Tsy anisan’ireo niakatra tetsy fampanoavan’ny Pac rahateo ity tompon’andraikitra ambony ity raha nohadihadian’ny FBI nan­dritra ny roa andro kosa izy, nialoha izao teny 67 Ha izao.

Synèse R.

Partager sur: