Rugby – Amboaran’i Madagasikara Top 8 : Lavon’ny TFA Anatihazo ny TFMA Ankasina

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andoha­ta­penaka ny lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”, taranja rugby. Fihao­na­na, nokarakarain’ny Mala­gasy Rugby. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny rehetra ny adin’ny TFA Anatihazo (Pilo kely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Tafita amin’ny manasa-dalana ny TFA rehefa nandresy tamin’ny isa mazava, 37 no ho 30. Tsy araka ny niandrasan’ny mpijery azy ny fihaonana. Hita taratra teo amin’ireo mpilalao ilay fotoana ela nijanonana tsy nisian’ny fifaninanana. Poro­fon’izany, be ireo tolotra very. Tsy ampy koa ny fandraisana baolina fa latsaka hatrany izany. Na izany aza, nifandimbiasana ny nitondra ny isa teny ambony kianja. Nitarika ny TFA izay nahatonga baolina nenti-tanana sy “hors jeu” iray. 10 no ho 0 avy eo niakatra tsikelikely ny TFMA ka nahazo baolina nenti-tanana ihany koa ka lasa 17 no ho 12 indray. Minitra faha-30, nilalao 14 ny TFA taorian’ny karatra mena azon’ny mpilalaony. Tsy hain’ny TFMA ny nanararaotra izany.

Fizaram-potoana faharoa, samy nahatsindry baolina ary samy nahafaty “hors jeu” ny roa tonta ka nitovy 24 no ho 24 ny isa. Taorian’io, nitarika 27 no ho 24 indray ny TFMA saingy nijanona teo. Tetsy ankilany, nahafaty “hors jeu” roa sy baolina nenti-tanana iray ny TFA. Teo amin’ireo vokatra hafa, resin’ny TAM 23 no ho 19 ny Uscar ary FTM nanilika ny Mang’Arts, 41 no ho 24 ary Cosfa nandavo ny 3FB, 53 no ho 12.

Tompondaka

Partager sur: