Sports Envoy : Nanome traikefa ireo Amerikanina

Nanankarena fifampizarana ny “Fête du Basket NBA” notontosaina teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Sabotsy lasa teo. Nizara ny traikefany tamin’ny Malagasy mpilalao basikety ny kintan’ny basikety Amerikanina, i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowels. Nisy ny “match de gala”, izay nandraisan’izy ireo anjara ary nampitolagaga ny mpanatrika ny lalao ny fahaizan’ireto kalaza Amerikanina ireto. Ny mpilalao avy amin’ny Ankoay, ny Us Embassy, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Basikety no nandrafetana ny ekipa roa nifanandrina tamin’ity “Match de gala” ity, izay tena niady tokoa. Ny ekipa Red nisy an’i Anthony Tolliver sy ny minisitra Moustapha Marson Abdulah sy ny ekipany no nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 81 no ho 76. Nifaninana ihany koa tamin’io fotoana io ny ekipa malagasy U16, U18 ary U20. Ankoatra izay, tonga teny an-toerana ny mpilalaon’ny Ankoay, Andriatsarafara Lova, nitantara sy nizara ny lalana nolalovany teo amin’ny sehatry ny Basikety. Raha ny tohin’ny fandaharam-potoanan’ireto kalaza NBA ireto kosa, efa any Mahajanga izy ireo amin’izao fotoana manohy ny fifampizarana sy ny fanentanana ary ny asa sosialy.

Mi.Raz

Partager sur: