Volley – CAN U16 : Resin’i Egypte tamin’ny seta 3-0 i Madagasikara

Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Can, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, tanterahina any Tonizia. Resin’i Egypte tamin’ny seta 3 no ho 0 i Madagasikara.

Tsy mbola tafiditra tao anatin’ny lalao mihitsy ny ekipa malagasy tamin’ity andro voalohan’ny fifaninanana ity. Betsaka loatra ny tahotra ka very ny fifantohana. Tany am-panombohana, azo lazaina ho niezaka nanohitra izay tahotra izay ihany i Ashley sy ny namany ka isa 25 no ho 14 no azon’i Egypte, tamin’ny seta voalohany izay. Nitombo ihany anefa izay tahotra izay ka mbola resin’i Egyptiana tamin’ny isa 25 no ho 12 indray ny Malagasy, teo amin’ny seta faharoa. Tsy dia niova firy ny endri-dalao tamin’ny seta fahatelo ka mbola azon’ny Egypte ihany izany, ka seta 3 no ho 0 araka izany no nisaran’ny roa tonta. Raha ny tohin’ny fandaharan-dalao kosa, ny ekipa mpampiantrano, i Tonizia no hifanandrina amin’ny ekipa malagasy, ho amin’ny anio, amin’ny 6 ora hariva (ora malagasy). Ny ekipan’i Maraoka kosa no miandry azy ireo ho amin’ny rahampitso talata, amin’ny 1 ora tolakandro (ora malagasy). Tsiahivina fa sambany no mandray anjara amin’izany Can izany ny Malagasy eo amin’ny sokajy U16 ka mbola mila fahazarana sy toe-tsaina ambony, raha ny nambaran’ny mpanazatra. Hiezana hanarina ny lesoka izy ireo amin’ny lalao rehetra mbola ho avy.

Mi.Raz

Partager sur: