Hifantoka any Tanzanie avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, anio. Ho fantatra eo mantsy izay hiatrika ny famaranana amin’ny “Chan 2025”. Hiady izany tapakila izany ny Barea. Vonona hanoratra tantara vaovao.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Benjamin Mkapa Stadium Tanzanie, manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hifandona voalohany amin’izany ny Barean’i Madagasikara sy ny Faucon de Jediane Soudan. Lalao andrasan’ny rehetra tokoa izy io satria hamaritra ny ho tohin’ny lalan’ny Barea. Hanala vela amin’ity ry zareo sodaney. Na izany aza, nambaran’i Rôrô, mpanazatra ny Barea, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, fa tsy afaka ny hanambany azy
ireo ny Barea amin’ity. “Tsy favori ny Barea amin’io lalao io saingy hiezaka hitazona
ny fandresena efa azo”, hoy izy. Tsy nambarany kosa ny taktika entin’ny Ekipa malagasy amin’io fihaonana io fa efa nezahina namboarina ny lesoka nandritra ny lalao rehetra efa vita. Nohamafisin’i Tony, kapitenin’ny ekipa ihany koa izany fa ambony ny toe-tsaina ary vonona tanteraka ny mpilalao rehetra. Tapa-kevitra ry zalahy ny hanoratra tantara vaovao eo amin’ny fiainany sy ny baolina kitra malagasy.
Ankoatra izay, nahazo fitaovana avy amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ireo mpilalao, toy ny “godasse vissé” sy ny fanafody famerenana aina ary kojakoja maro hafa. Nisy ihany koa ny lelavola fankaherezana avy aminy ho an’ny mpilalao sy ny ekipa teknika. Nanatrika ny fihaonana, omaly, tany Tanzanie, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea A, tamin’ny fotoanandrony. Nankahery ka nilaza fa miandry azy ireo ny vahoaka malagasy 32 tapitrisa ireo nandray fitenenana. “Mandalo fotoana mafimafy ny firenentsika, koa ampifalio ny vahoaka ry zalahy”, hoy izy.
Tompondaka




