Notontosaina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 19 ka hatramin’ny 23 aogositra lasa teo, ny fiofanana ho an’ireo mpitsara baolina kitra matihanina «Cours MA-Arbitres élites». Nitarika izany ireo manam-pahaizana avy amin’
ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa), i Efong Nzolo Jerome (instructeur technique) sy i Ayemo Ananh Jeanne (instructrice physique) ary i Athanase Nkibuto. 27 ireo mpiofana ka 21 ny lehilahy ary 6 vehivavy. Misy amin’izy ireo mpitsara afovoany. Nambaran’ i Lay Mein Alexandre, filohan’ny filankevitry ny mpitsara (CCA) fa amin’ny maha elita azy ireo, notsongaina manokana izy ireo noho ny talentany mba hampiroboroboana sy hampitomboana ny lenta sy ny haavo teknika, indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny hananan’i Madagasikara mpitsara baolina kitra sangany ka afaka hitsara lalao goavana toy ny “Mondial” sy ny “Can” no anton’izany.
Masontsivana nifantenana azy ireto ny kalitaon’ny tanjaka, ny teknika sy ny taktika amin’ ny lalao. Ity farany izay takin’ny Fifa fatratra. Araka izany, ilaina ny fahaizana mampihatra ny fitsipiky ny lalao araka ny fitsarana maoderina. Misy zava-baovao miova isan-taona amin’ny baolina kitra ka mila maharaka izany ny rehetra. Tanjona ny mba hitovizan’ny fomba fitsaram-baolina manerana izao tontolo izao. Mahakasika ny Var indray, ezahin’ny CCA ny hampiditra azy io eto Madagasikara, saingy miankina amin’ny Fifa sy ny Caf izany, izay mbola ilàna fiofanana.
Tompondaka




