Depiote Andriamampandry Todisoa : “Henatra ny mpanao gazety tampenam-bava”

“Tsy misy ny fahafahana na ny demokrasia. Na ny mpanao gazety aza, tampenam-bava amin’ny vaovao avoakany. Lasa henatra ho an’ny firenena amin’izao: na ny mpanao gazety avy any ivelany na ny eto an-toerana, ampitahorina sy rahonana amin’ny asany”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote avy amin’ny fanoherana, ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, tao Antananarivo VI, Andriamam­pandry Todisoa Manampy. Ny amin’ny tontolon’ny asa fa­naovan-gazety amin’izao fo­toana izao izay nahabe resaka tato ho ato no nitenenany izany. Izay no tokony hijoroan’ ny mpanao gazety sy ny firaisamonina sivily ary ny mpisehatra politika rehetra, hiady sy hiaro ny zo amin’ny fahalalahan’ny asa fanavaon-gazety. Raha tsy miasa ny mpanao gazety, inona ny vaovao ho­meny eo? Tsy misy inona ho fantatry ny vahoaka sy ny mpitondra. Matahotra sao misy ma­rina voalaza amin’ny tsy mety atao, matoa misy ny fampitahorana mpanao gazety, araka ny nambarany.
Raha ny fitondram-panjakana no manome fahafahana miteny, na mpanao gazety na mpanao politika: mafy sy ma­tanjaka ny fanjakana. Ma­no­me fahafahana ho an’ny olona rehetra ny fanjakana matanjaka. Anisan’izany ny mpanao ga­zety. Rehefa ny fanjakana no malemy, mampihorohoro sy mampitahotra mpanao ga­zety izy izay. Toy izany koa no ataony amin’ny mpanao politika.

R. Nd.

Partager sur: