Tsy ho tahaka ny teo aloha intsony. Nankatoavin’ny HCC, ny herinandro teo, ny fanitsiana nentin’ireo parlemantera momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fanendrena ireo loholona.
Nambaran’ny etsy Ambohidahy, araka ny fanapahana noraisin’ireo mpitsara avo, fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany. Misongadina ao anatiny fa tsy ho anisan’ireo mpifidy lehibe handray anjara amin’ny fifidianana loholona amin’io lalàna nahitsin’ireo parlemantera io ireo lehiben’ny faritra sy lehiben’ny fari-piadidiana ary ny mpanolotsaina azy ireo. Nanterin’ny HCC tamin’izany fa voafetra ho ireo ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ihany no mifidy ireo loholona.
Miisa 18 ireo loholona am-perinasa amin’izao fotoana izao, ka tendren’ny filoham-pirenena mivantana ny 12 amin’ireo mandrafitra ity Andrimpanjakana etsy Anosikely ity. Miisa 33 izy ireo teo aloha, fony fitondrana Rajaonarimampianina Hery, fa nahenan’ny fitondrana Rajoelina Andry, taty aoriana.
Hotanterahina amin’ny novambra ny fifidianana
Tsiahivina fa tokony ho loholona vaovao no hiaka-dapa amin’ny fiandohan’ny taona hoavy io. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo am-perinasa amin’izao fotoana izao. Efa nanolotra vinavina hanatanterahana ny fifidianana loholona ny volana novambra izao ny eo anivon’ny Ceni. Mbola miandry ny fankatoavan’ny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka anefa izany. Eo koa ny fiandrasana ny didy momba ireo fifidianana amin’ireo kaominina am-polony manoloana ny fitoriana nataon’ireo kandidà sasany.
Synèse R.




