FANTINA sy FINTINA

Hanainga eto Antananarivo, anio, hoentina any Toamasina, ny nofo mangatsiakan-dRatsiraka Céline. Halevina any an-toerana, ny zoma izao, fa tsy ho etsy amin’ny Fasan’ny maherifo, ilevenan’ny amiraly Ratsiraka, araka ny fandaminan’ny fianakaviana. Hi­ga­dona, anio, eto an-tanindrazana, koa ny zanany lahitokana, Ratsiraka Xavier.
Anisan’ny tonga nankahery ny fianakavian-dRatsiraka Céline ny avy amin’ny antoko Tim, notarihin’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc, mivady, ny alahady teo. Naneho ny fiaraha-miory izy ireo ta­min’ izany ary nanoratra ny boky tahaka ny mahazatra manoloana izao fahalasanan’ny vadin’ny amiraly Ratsiraka Didier izao.
Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin, tamin’ny fa­nanganan-tsaina, omaly, teny Faravohitra ny fiarahabana ny tale jeneralin’ny ENMG. Tahaka izany koa ireo mpampiofana rehetra sy ny mpitsara ny fanadinana nandritra ny fifaninanana nandraisana ho mpirakidraharana. “Nadio ny fifaninanana”, hoy izy.
Filoha vaovao mitarika ny Fikambanan’ny terak’Androy (Fiteam), i Milavonjy Philibert. Nandimby toerana ny filoha teo aloha, Rakotondrazaka Ladislas, ny tenany. Nanotrona ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’izy ireo ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Tokely Justin, sady niarahaba amin’izao fijoroan’ny birao vaovao izao.

Partager sur: