Raha ny antontanisa farany navoakan’ireo sampandraharaha miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly dia mihemotra i Madagasikara. Mirongatra amin’ny sehatra maro izany rangory fototry ny afo amin’ny fahalovan’ny fiarahamonina izany. Manao izay danin’ny kibony ireo manampahefana isan-tsokajiny. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny trondro vaventy. Tsy maty manota. Mandroba dia lasa mitsoaka. Izay mba voatazona, miandry Fitsarana ambony manokana na ny “Haute Court de Justice”.
Mahavariana! Mirehareha isika fa manana fanjakana tsara tantana. Sodoka tokoa ny firenena vahiny ary mihazakazaka manolo-tanana. Misy tokoa ny mpitondra, izay mamorika ilay manontolo lehibe tarihin’ny Filohan’ny Repoblika. Mila fanadiovana lehibe anefa izany, hialana amin’ny fitampodifohin’ny mpanoha-randrana sy ny fandoto iray tandroka. Tsy maintsy mila fanadiovana sy fahasahiana.
Tsy ampy ireny fanapahan-kevitry ny fitsarana ireny raha mbola tsy voantohintohina ny mpanao mena ambanin’ ny mena. Mpibaiko tsy fanta-bahoaka fa mpampiady angely fotsiny. Tsy azo ekena raha sanatrian’ny vava ka olom-bitsy no manaratsy endrika ilay tanindrazana malalantsika. I Madagasikara anefa izao no fitaratra ho an’ny firenena anatin’ny vondrona Sadc. Tsy manan-jo hanao fahadisoana ka ny lohany indray sanatrian’ny vava no hatsatso.
Fehiny, raha te handroso sy tena vonona ny ho maodely isika amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia mila mijoro sy sahy mamongotra ireo fanetriben’ny firenena, eny fa na dia namana aza..
r.r




