Pancrace-“Grand Combat de défi”: Nisongadina ny klioban’ ny Tsca

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana “Grand Combat de défi”, taranja Pancrace. Nisongadina ny klioban’ny Tasc izay nahazo ny fandresena betsaka indrindra nandritra izany. Raha hiverenana ny vokatra, fandresena 8 no azon’ity ekipa ity teo amin’ny Classe A: -77kg, -61kg, -56kg, ny teo amin’ny Classe B: -84 kg, -61 kg miisa 2, -55kg ary ny sokajy Ankizy. Anisan’ny klioba nisongadina ihany koa ny klioban’ny Cosfa, nanana mpikatroka 7 lahy ary nahazo fandresena 4. Tsiahi­vina, ady 23 no nitranga tamin’ity hetsika ity. Nambaran’ny mpikarakara fa nahafapo ny vokatra ary nahitana ny talentan’ ny Malagasy mpikatroka ity taranja Pancrace ity. Nam­piavaka ny fifaninanana ny fisian’ilay “Combat KO” ka nampi­tsanga-mitoetra ireo mpijery tonga teny an-toerana. Ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, izay hatao ny volana de­sambra izao, ny fandaharam-potoana miandry ny CMPS (Commission malagasy de pancrace et submission) manaraka.

Mi.Raz

Ireo mpandresy
Classe A -84kg: Mamitiana (Tsunami) -77kg: Tafitasoa (TSCA) -70kg: Patrick (Cosfa) -65kg: Denis (Cosfa) -65kg: Onjatiana (Cosfa) -61kg: Tolotra (combat club 101) -61kg: Valisoa (Tcsa) -56kg: Jean patience (Cosfa) -56kg: Honorus (TSCA)
Classe B -84kg: Jean Michel (TSCA) -65kg: Zoumana (Tsunami) -61kg: Julien (TSCA) -61kg: Jonah (TSCA) -61kg: Fandresena Kafiv (Metal Force) -56kg: François Michel (TSCA) -61kg: Manda (Combat Club) -56kg: Dera Kafiv (Metal Force) -56kg: Ismaël (JCAA) -56kg: Xavier Rakoto -56kg: Sonia (Falcon)

Partager sur: