admnistratera sivily: Natao hiasa ho an’ny vahoaka

“Natao hiasa ho an’ny fanjakana sy ny vahoaka ny admnistratera sivily. Afa-miasa amin’ny andrimpanjakana re­hetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany: manana ny maha izy azy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Anteni­mierampirenena izay admnistratera sivily rahateo, i Tokely Justin, ny amin’ny toeran’ny admnistratera sivily manoloana ny birao vaovaon’ny sendikà Synad, tarihin’ny filohany, Rakotondramanana Solofo Tahina Lalaina izay prefet-n’ ny distrikan’i Maintirano amin’ izao. Mandritra ny telo taona ny fe-potoam-piasany itarahiny ny sendikà. “Mila olona ma­nana fahendrena ary mahay mifandray sy mifampiraharaha amin’ny olona ny mitondra ny sendikà”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena. Izay no maha zava-dehibe ny fifidianana birao vaovao teny amin’ny By-pass, ny faran’ny herinandro teo.
Miara-miasa amin’ny fitodram-panjakana mijoro amin’ izao fotoana izao ny admnistratera sivily. Satria natao hiasa ho an’ny fanjakana sy ny vahoaka. Amin’izany, tsy afangaro amin’ny politika politisianina ny fitantanana raharaham-panjakana. Nofanina hitantana raharaham-panjakana amin’ny andrimpanjakana rehetra misy ny admnistratera sivily. Ny antoko politika no miantsehatra amin’ny politika politisianina. Zavatra hafa izay. Tsy midika hoe manao politika ny fiaraha-miasa amin’ ny mpitondra fanjakana, fa miara-miasa manampy ny mpitondra hahazoany manatanteraka ny vinam-pampandrosoana.

R. Nd.

Partager sur: