Voalohany eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy. Hiatrika ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny mpilalao tsy matihanina (Chan 2025), ny Barean’i Madagasikara. Resiny teo amin’ny manasa-dalana ny Faucon de Jediane-n’i Soudan.
Nanoratra tantara vaovao eo amin’ny baolina kitra malagasy sy eto amin’ny kaontinanta afrikanina ny Barean’i Madagasikara. Hiatrika ny famaranana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) ny Malagasy. Omaly, lavon’ny Barea, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Faucon de Jediane-n’i Soudan nandritra ny manasa-dalana. Fihaonana, natao tao amin’ny kianja Benjamin Mkapa Stadium, Tanzanie. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ny Barea, rehefa nilalao 10, nanomboka teo amin’ny minitra faha-76 taorian’ny karatra mavo indroa azon’i Fenohasina. Baolina tokana matin’i Toky tany amin’ny minitra faha-116. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta. Nampiasa ny tolotolotra haingam-pandeha ny Barea, notarihin-dry Lalaina sy i Nicolas. Nanao tolotra lava kosa ny soudane, niantehitra tamin’ ny halavany. Tsara nefa ny fiarovan-tena nataon-dry Rado sy i Tony ary i Balita miampy an’i Bônô. Mbola nisongadina indray tamin’ity ny fahaizan’i Toldo, mpiandry tsatoby. 0 no ho 0 ny fizaram-potoana voalohany.
Tapa-potoana faharoa, nanova mpilalao ny coach Rôrô, nampiditra an’i Toky sy i Dahery. Nitady irika hamonoana baolina ny soudane saingy tsy tafavoaka. 0 no ho 0 teo amin’ny 90 mn. Niditra tamin’ ny fanalavam-potoana. 15 mn voalohany nifandimbiasana ny fanafihana saingy tsy nisy baolina maty. Fahefatradiny faharoa, no nahafaty ny baolina nandresen’ny Barea i Toky taorian’ny tolotra nomen’i Fely. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Nicolas. “Nananosarotra ny fiandohan’ny lalao indrindra fa nisy ilay karatra mena ka voatery nanolo mpilalao afaka mitazom-baolina. Nety ilay paikady ka nahafatesana baolina”, hoy ny coach Rôrô. Hatao ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Safaricom Stadium Kasarani, Kenya ny famaranana.
Tompondaka




