Mifampizara traikefa ao Mahajanga ireo governoran’ny faritra miisa 23. Ifanakalozana amin’izany ny momba ny fampandrosoana sy ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana (PGE). Tsiahivina fa miisa 24 ireo faritra saingy tsy mbola voatendry ny governoran’ny faritra Ambatosoa ahitana an’i Maroantsetra sy i Mananara.
Nametraka fanamby ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana fa tsy ny tenany mihitsy no ho tafiditra amin’ny raharaha maloto eto amin’ny firenena izany. « Tsy nitaizana ahy izany ary tsy mety amin’ny fisainako », hoy izy. Nanteriny fa samy mahalala izany avokoa ireo niaraka niasa taminy amin’izao fotoana izao na ireo teo aloha.
Niofana momba ny fitantanana ny kaominina ireo ben’ny Tanàna, any amin’ny distrikan’i Vohemar. Niompana amin’ny andraikitry ny mpisehatra eny ifotony sy ny asan’ny kaominina ny fiofanana. Eo koa ny momba ny fitondrana tsara tantana ary ny fotokevitra ho an’ny haitarika. Anisan’ny nanofana azy ireo ny loholona sady kestora, Mino Seramila.
Manameloka ny fandrahonana ireo mpanao gazety, Gaelle Borgia (TV5Monde-France 24) sy Pauline Le Troquier (RFI) ny fikambanan’ny mpanao gazety (SDJ). « Tsy azo ekena ny fandrahonana sy antsojay nataon’ny fitondrana tamin’izy ireo. Manao ny asany momba ny fanadihadiana natao momba ny Raharaha Ambohimalaza nefa rahonana », hoy izy ireo.




