Fiainam-bahoaka aloha…

 

Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piai­nana, famatsian-jiro sy rano… Mbola mampikaikaika ny maro eny ifotony. Mby aiza ny vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… ? Na izay fihatsaram-piainana ahay… Efa mba misy hita sy tsapa? Na mifanitsy amin’ny filan’ ny vahoaka amin’ny hoe fampandrosoana izay atao sy imasoan’ny fitondram-panjakana isan-tsehatra sy isan’am­baratonga. Anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao ny hoe maha olona. Mby aiza? Ho an’ny vahoaka ifotony, izay fihatsaram-piainana izay no zava-dehibe sy mahamaika azy. Asa mivaingana, miantraika amin’ny fiainana isan’andro, mandavantaona, tsaroan’ny aina… Misy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, rehefa mifanitsy amin’ny hetahetam-bahoaka izay ataon’ ny mpitondra. Izay no nisafidian’ny vahoaka ny isan’ambaratonga tamin’ny fifidianana? Ny fiainam-bahoaka aloha…
Tsy lavina, zava-dehibe ary be ny vita amin’ny fanorenana fotodrafitrasa, ohatra. Mbola be koa ny hatao isan-tsehatra… Tena misitraka fihatsaram-piainana ny vahoaka ifotony amin’izany? Eo ny tsirairay hamaly fa tsy misy distrika hadino. Nefa hatraiza koa ny fahatakarana sy fahasarotam-piaro eo amin’ny olom-pirenena amin’izay vita? Na ny soa iombonana… Mbola misy ny tia tena sy tia kely ka manimba na tsy manaja? Mety eo koa ny likiliky noho ny tsy fahatakarana na tsy fahatsapana izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fiainan’ny tena? Ny maha olona no antony… Hatramin’ny fiandrasana hotoloram-potsiny. Izay no mahatonga ny fitsikerana fahatany? Tonga amin’ny fahasorisorenana ny sasany, likilikim-piainana, fanomezan-tsiny… Zava-dehibe ary tsy azo ihodivirana ny fiainam-bahoaka, raha fampandrosoana no atao sy imasoana? Tsy ambanin-javatra na ambin-javatra. Mby aiza?

R. Nd.

Partager sur: