Mampihemotra ny fametrahana ny demokrasia ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Io no nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety teo aloha, James Ramarosaona.
Naneho ny heviny manoloana ny asa fanaovan-gazety ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety teo aloha (OJM), James Ramarosaona. Nohitsiny fa tsy mendrika ho an’ny firenena mihevitra ny hametraka demokrasia ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. « Lasa mampihemotra ny dingana efa vita amin’ny fametrahana ny demokrasia ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety », hoy ihany izy. Notsiahiviny fa mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ka nanaovany antso avo ireo mpanao gazety. « Aoka hahay hiray hina isika manoloana izany », hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED) ity. Nanteriny fa anisan’ny tokony himasoana ny fametrahana ny demokrasia manaja ny soatoavina Malagasy. Tafiditra anatin’ izany ny fametrahana ny maha mpanao gazety matihanina eo amin’ny fanatanterahana ny asany, araka ny nambarany hatrany.
Na izany aza, nanteriny fa tsy tokony hanam-pahavalo ny mpanao gazety. « Mampahery antsika indrindra ny eo anivon’ny holafitra amin’izao fotoana izao », hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nanao fanambarana manoloana ny ambarany ho fandrahonana ny mpanao gazety ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena ny herinandro teo. Voaresaka koa tato ho ato ny momba ireo mpanao gazety vahiny, mitrandraka vaovao eto amintsika.
Synèse R.




