Surf : Handray fifaninanana iraisam-pirenena i Madagasikara

Notanterahina tany Angola, ny 15 hatramin’ny 17 aogositra lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Surf. Tsy nanana solontena tamin’ izany i Madagasikara saingy tonga tany an-toerana kosa ny filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny Surf no sady Filoha lefitra kaonfederasionina Afri­kanina ny Surf, i Roger Fosti­nato. Nitondra fanazavana mahakasika ny tsy nahafa­hana nitondra atleta izy ka ni­laza fa efa nanao fangatahana fanohanana ara-bola izy ireo saingy tsy nivaly. Tsy nanana solontena, araka izany, i Ma­dagasikara. Na izany aza, nisy ny fifampiresahana natao tany an-toerana ka nivoitra tamin’izany fa tokony ho afaka mandray fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny taranja Surf i Madagasikara, araka ny nambaran’ny filohan’ny Kaonfe­de­rasiona Afrikanina ny taranja Surf. Anisan’ny afaka hatao eto Madagasikara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ireo fifaninanana iraisam-pirenena fanao eto Afrika isan-taona. Notsiahivin’ity filohan’ ny federasionina malagasy ity fa nahavita nikarakara fifaninanana 3 tao anatin’ny taona ny kaonfederasionina Afri­kanina tamin’ny taon-dasa. Manana toerana sy atleta manana ny maha izy azy eo amin’ny taranja Surf i Mada­gasikara hahafahana mandray izany fifaninanana iraisam-pirenena izany. Mila fifanohanana anefa izany, eo amin’ny fanjakana, ny mpanohana ary ny mpisehatra rehetra eo amin’ity taranja ity.

Mi.Raz

Partager sur: