Maherin’ny 300 ireo antoko sy fikambanana politika ary fiarahamonim-pirenena na koa ireo mpisehatra amin’ny fifidianana nandefa sosokevitra any amin’ny Ceni. Tafiditra ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana izany.
Efa ao anatin’ny fandinihana sy fandravonana izany amin’izao fotoana izao ny eny Alarobia. Nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika, fa miompana any amin’ny hijerena sy hamaritana hatramin’ny antsipiriany momba ny fampielezan-kevitra sy ny resa-bola manodidina izany ireo sosokevitra avy amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. Nambarany ho anisan’izany ny mialoha sy mandritra ary ny aorian’ny fifidianana. « Tokony faritana mazava ny fomba fanatanterahana izany mba miaraka miainga avokoa ny rehetra fa tsy ny hafa hangalatra fiaingana », hoy izy namintina ny sosokevitra sasany. Notakin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana koa ny momba ny fikirakiran’ny kandidà vola amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Tanjona amin’izany ny fitovian’ireo kandidà rehetra eo amin’ny ho enti-manatanteraka sy miatrika ny fifaninanana.
Manampy ireo ny fitakian’ireo antoko politika sasany ny sazy sy ny hampiharana izany ho an’ireo kandidà tsy manara-dalàna koa mihoa-pefy mialoha sy mandritra ny fifidianana. Nasongadin’ireo nitondra ny sosokevitra fa tsy hita taratra na tsy mbola nampiharina izany hatramin’izay fa vitavita ho azy teny fotsiny.
Hatao ny 21 desambra ny fifidianana loholona
Nanterin’ny eo anivon’ny Ceni fa noraisina avokoa ireo tolo-kevitra rehetra ho amin’ny fanitsiana sy ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana. « Haravona ho lasa fehin-kevitra izany ary hatolotra ny eny amin’ny Antenimiera roa tonta, aorian’izany », hoy izy.
Ankoatra izany, fantatra izany izao fa tolo-kevitry ny Ceni, natolotra ny governemanta ny hanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny 21 desambra ho avy izao. Ho tompon’ny teny farany ny amin’ny hanatontosana izany ity rafitra mpikarakara sy mpanomana ny fifidianana ity. Andrasana ny ho valin-tenin’ny fahefana mpanatanteraka, manoloana izany.
Synèse R.




