Karting – 3è Grand Prix Mada : Fifaninanana hafainganam-pandeha

Hotanterahina ny alahady 31 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Circuit international de karting Imerintsiatosika ny andiany fahatelo amin’ny «Grand Prix», fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana hafainganam-pandeha amin’ny Rotax, karakarain’ny klioba Serana Ra­cing Kart, no hatao amin’izany. Misokatra ho an’ireo Malagasy mpanamory rehetra manana kara-pilalaovana Karting Fédération sport automobile malagasy (FSAM) sy ho an’ireo teratany vahiny manana fahazoan-dalana ho an’ny taona 2025 ary ho an’ireo avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny C.I.K ity hatrehina ity. Hisy sokajin-taona efatra ny fifaninanana. Ny élite, ho an’ireo 14 taona mihoatra, ny Junior, 12 ka hatramin’ny 14 taona ary ny Minime, 8 ka hatramin’ny 12 taona. Eo koa ny Mini, nato­kana ho an’ireo ankizikely mpanamory, 6 hatramin’ny 9 taona.
Hiavaka ny fizotry ny fifaninanana ka hisantatra izany ny andrana handraisana ny fe-potoana, haharitra 10 mn. Io no handaharana ireo mpanamory amin’ny fanatontosana ny dingana voalohany sy ny famaranana mialoha ny fotoana. Impito mihodina ny an’ny minime sy ny mini, raha in-12 kosa ny an’ny junior sy élite. Eo amin’ny famaranana, fihodinana in-9 ny an’ny mini sy ny minime, raha in-14 ny an’ny junior sy élite.

Tompondaka

Partager sur: