« Manana fijery lavitra ny filoha Rajoelina Andry ka tsy takatry ny olona sasany », hoy ny minisitra sady birao politikan’ny TGV, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Fianarantsoa, tamin’ity herinandro ity. Notanisainy tamin’izany fa maherin’ny 8 000 ny isan’ireo sekoly vitan’ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona. Masina ny fanabeazana rehefa masina ny tanindrazana ka mila omena hasina ny mpanabe sy ny mpampianatra, araka ny nambarany. « Mijery izany ary manana vina maro ny filoham-pirenena », hoy ihany izy. Notsiahiviny fa maro ireo sehatra nianarany, niaraka amin’ny mpanorina ny TGV ka nahitany izany fahaiza-manaon’ny filoha, mijery lavitra kokoa, izany. « Tsy mahagaga raha filohan’ny Sadc izy noho ny haitarika ananany », hoy izy.
Synèse R.




