SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 13 sy 14 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja karate. Mpikatroka manodidina ny 350 no handray anjara amin’izany, ahitana ireo klioba rehetra manerana an’Analamanga.

Nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fifaninanana «Xtreme Combat» karakarain’ny klioban’ny Lion Force, taranja kick boxing. Nanazava ny filohany fa noho ny antony tsy miankina amin’izy ireo no nahatonga ny fihemorana. Mifanindry mantsy amin’ny fifaninanam-pirenena ny daty.

Miato tanteraka ny fifaninanana PFL eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray omaly, miezaka mampiseho ny fahaizany amin’ny taranja atletisma i Christiano, mpilalao baolina kitra CFFA. Nandrombaka medaly volamena telo izy ny farany herinandro teo, nandritra ny fifanintsanana nasionaly ho an’ny sokajy tanora.

Partager sur: